Paroles de Rivotra

Mahaleo
Ny rivotra mandalo ve
No mitondra tadio
Ny rivotra mifafy ve
No mitondra io orana io
Ny tany ve no ratsy
Sa ny olona no efa lany vatsy
Ny tany ve no boboka
Sa ny olona
No vizaka sy drodroka.
Dia hoy aho manontany tena
Mba ho aiza ihany no hiafarany
Gagagaga sy mihenahena
Ny olona ao an-tan?na
Voazara ho antokotokon?olona
Voazara ho vondrombondron?olona
Nozarainy ho fokofokon?olona
Amin?izay angamba
Tsy ho vanon-kolona
Iza moa no tsy mahalala
F?izay mitambatra dia vato
Mampisalasala anefa reo mpanao afera
Izay mihamaro tatoato
Mitombo ny isan?izy ireo
Mitombo ny volan?izy ireo
Miroborobo ny aferan?izy ireo
Tsy laitra ny setrasetran?izy ireo.
Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio.
InterprèteMahaleo
LabelBLV
Paroles ajoutées par nos membres

Traduction de Rivotra

Paroles en Anglais
Traduction en Français
Rivotra
vent
InterprèteMahaleo
LabelBLV
Paroles ajoutées par nos membres